HAFA LOTRA NY MITIA (RAVINALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa lotra ny mitia ao am-po
Tsy mitady tombontsoa manokana
Fa manao izay hahasoa
Ilay olona notiavina

Manao fijery lavitra toy ny voro-mahery
Mahitsy sady sahy mitady fandresena
Mifanohitra tanteraka amin'ny fomba ratsy
Fanaon'ilay mpampango mangalatra sy mangorona harena

Hafa lotra koa ny mitia tsy misy efitrefitra
Mivonona hiady amin'ny rindrim-pisarahana
Manangana ny hoavy ambony vatolampy
Mangarangarana toa kristaly.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
82 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142