HAFA LOTRA NY MITIA (RAVINALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa lotra ny mitia ao am-po Tsy mitady tombontsoa manokana
Fa manao izay hahasoa
Ilay olona notiavina
Manao fijery lavitra toy ny voro-mahery
Mahitsy sady sahy mitady fandresena
Mifanohitra tanteraka amin'ny fomba ratsy
Fanaon'ilay mpampango mangalatra sy mangorona harena
Hafa lotra koa ny mitia tsy misy efitrefitra
Mivonona hiady amin'ny rindrim-pisarahana
Manangana ny hoavy ambony vatolampy
Mangarangarana toa kristaly.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana