MANDRAMPAHOVIANA (RAVINALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandrampahoviana vao hitsahatra ny sento sy alaheloko,
Mandrampahoviana ireo jaly misteriko,
Hanjary taram-pahazavana lavitra toloko?
Mandrampahoviana ilay tany ngazana sy maina hiofo zaridaina marevaka sy kanto,
Hanjary lohataona hiposaka masoandro
Himbanjinana ny hoavy mamiratra isanandro,
Hisy lokom-bolamena amin'ny andro takariva
Diavolan-dava tsy lalovan-tsasakalina?...
Eny mandrampahoviana ny tarainan'ny antsiva amin'ilay mamaton'alina,
Hiravom-pandresena, hosomebin-kafaliana
Fa tojo fiainana niriana?
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
85 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145