FIONONANA (Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy havelanay handrimbona ankory
Ny hamiranan’ endrikay ilay lalana tsy maintsy ho diavina
Fa ny hava-tianay na dia tena salama, na koa narary
Toy ny olona rehetra, ny fandaozany ny tany! Toraka tsy azo lavina.

Fa na hisy vokany toa inona aza, ny fitalahoana am-bavavaka
Ka hatafaverina indray ny havanay, efa fantatray
Fa raha mbola amin’ito tany, tsy hisy haharitra ho mandrakizay;

Fa ambeti-teny tena tsaroana,
Hanambarana ny finoana
Izy Zanaharinay ilay manoman-toeran-tsara sady antonona
Tena mahahaino fa tsy be marenina, mahay mampionona;

Izy ilay nampanatena fiainana maharitra sady miavaka
Inoanay fa hampihaona anay indray amin’ny hava-tiana maminay
Any Aminy rahatrizay.

Rinhary
(rakoto-rakotomalala
rivoniRINHARInala)
2018
--------
Lien:
120 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015