Atin'ny haizina (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATIN’ NY AIZINA

Ianao tsy niagarana
Na izany aza,
Fa efa anisan’izay nitoriana
Ka tokony hino !
Tokony hanaraka izay notenenina !
Fa ny eto an –tany tsy maintsy hifarana.
Ary tsy ianao io intsony mihitsy
No tokony hanenina;
Fa efa voalaza !

Renao ny akon’ny FAHAZAVANA,
Efa milaza isan’andro, isan’andro
Fa ho avy i JESOSY !
Dia mbola hamikirana ve ny eto an –tany ?
Ny fiainana ety io tsy maintsy ho takona,
Kanefa tsy ianao izao indray sanatria
No ‘ndeha hitomany,
Fa efa nieràna !

Ny famonjena tsy mbola mirava,
Mbola tsy tara aza ianao raha hibebaka
Sy hiaiky heloka !
Avia mandomay ka alao hery,
Fa ho any daholo ny iray Firenena;
Kanefa tsy zakako kosa raha hoe :
Ianao indray no ho very
Tsy ho hitako tava !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty- Antananarivo, faha 23 Aogositra 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1733 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153