HIALA NENINA (Singam-pitia saropady (MAHARITRA))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIALA NENINA Marary anie ireny fa izaho no tsy miteny
Mamirifiry anaty fa hodiana tsy jerena
Marary izy ireny fa...
tsy maintsy hoe ekena
Na aza torovana ny fo sy ny saina
Ilay tsikinao fahiny
Nafindranao lasy
Dia izao aho lasa miafy
Na aza te hibanjina
Ny tsikinao mamiratra
Marary anie izany
Fa...
Ezahina ho mamy
Mba tsy hanitatra ny ratra ka
Hampirotsaka tomany
Ilay hafatra matetika
Mitory teny mamy
Androany... lasan'olon-kafa
Marary anie izany....
Ilay sary fanehoana
Nameno ny finday
Ilay sarintsika roa
Noravahina hatsarana
Nohesorinao tsy hita
Marary leisy ireny aann
Mamela triatra anaty
Manindrona tsy tanty
Miangavy mba faranooooo
Mialohan'ny handraisako izay hevitra ato antsaiko
Mba tsy ho tsiny ho ahy
Raha any ianao indray andro
Ho latsa-panenenana
Hiangavy ny hiverenana.
#Singam_pitia_Saropady
05 Febroary 2026 BIRA
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Singam-pitia saropady (MAHARITRA)Inséré par : SingampitiaSaropady
Date : 05/02/2026 06:29
