sitrako (Sitraka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sitrako androany
Ny hanoratra ho anao
Dika soratra mazava
Dia bolongan-teny mamy
Sy takelaka vaovao
Azo asoritra eny an-tava.


Sitrako anio
Ny manolotra arahaba
Feno ho anao ry Neny.
Dia izao no tadidio
fa firariantsoan'ny vava
No aborako amin'ny teny.


Sitrako hatrizay
Ny niteny moramora
Hoe:"tiako ianao ry neny."
Ianao no herinay
Tsy sandainay vola
Tsy foinay ombieny ombieny.


Sitrakay tanteraka
Ny mirary andro lava
Sy fifaliana feno
Ho an'ilay niteraka.
Dia mbola hifanatri-tava
Satria isika mifameno.

Sitraka
03/05/12 à 11h 19
--------
Lien:
Catégorie : manokana
1189 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136