toy ny vao omaly (Sitraka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny vao
omaly


Fa toy ny vao omaly
No nahalalako anao
Sy nianarako nitia.
Nianarako nandrary
Ireo rindran-teny vao
Natoetra ho doria.


Toy ny vao omaly
No nanomezanao setriny
Ny doboky ny foko.
Maivana aho ka faly
Fa ny olako naetriny
Ho hazavana maro loko.


Fa toy ny omaly ihany
No jineriko ny anio,
Misoneniko fitia.
Nihamafy hatrany hatrany,
Tsy lavon'ny tadio
Fa nisy an'i Mitia.


Tsy niova, tsy niofo.
Tsy boboka, tsy lo.
Tsy lany tsiro na natsatso.
Fa isan'andro dia milofo
Hahatanteraka sy to
Ilay fitia mba tsy hikatso.


Dia toy ny vao omaly
Ny tantarantsika roa
Niriaria, nirenireny.
Anio, afaka mamaly
Fa ny tena zava-tsoa
Dia ny manaja ilay nekeny.


Sitraka
30 aprily 2013
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1065 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139