AN-TAMPON'I VINANY (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka namantatra izay any am-ponao any,
Dia mody mba nijanona eto an-tampon'i Vinany.
Nikaroka ny miafina an-tratranao mangina,
Nikopaka tsy tana ny sidim-binavina.

Ora roa sy telo, dia mbola teto hatrany.
Tamana dia tamana eto an-tampon'i Vinany.
Mandinika ny hakanton'ny sary tsara loko,
Dia rendrika ny maso, tavela koa ny foko...!

Fo adaladala...! Oadray izany hadalany ....!
Mifikitra tanteraka eto an-tampon'i Vinany.
Tsy eto no fodiana, dia tsy eto koa no Ambositra.
Ento aho ratongotro, tereo aho mba handositra.

Ny ora sy minitra mankany dia mankany,
Kanefa toa tsy foiko ny an-tampon'i Vinany.
Ny faraherin-tsaiko? Tahirin-tsary sisa
no hany asolovaika ity foko mpitanisa.

..... S O L I M A H .....
04 -08 - 2021
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
23 1
Fans: SOLIMAH
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011