HADISOAKO VE (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso ve ny molotro raha miantso anao hoe "Lala"?
Satria raha vonin-draozy ianao dia aleoko miova lolo...!
Tsoriko mazava fa tsy hoe misary adala,
fa vao mahita anao aho dia toa mitsangam-bolo.

Tsiny firy taonina no asainao hiambozonako?
Feno ny voambolana milaza ny fitia!
Saingy ny iangaviako mihitsy ,tena ifonako :
Aza ataonao reko ny valinteny hoe "Tsia".

Azoko ihafiana izay diary fanampohana,
Na ora , na minitra, na andro vitsivitsy.
Velesiko dia an-tongotra ny fiara raha mitohana,
Fa te hahita anao aho ka rendrika mihitsy.

Hadisoako ve raha tia misetrasetra?
Tokana no fantatro, ianao aloha no sitrako!
Feno anao ny vatako, ny saiko sy ny etsetra.
Dia aza omena tsiny ity fo manao an-ditrako.

Misesika ao am-poko ny sioka tsy hay raràna,
Miantso anao hitodika anaty rovako ao.
Midoboka aok'izany, mafana dia mafana.
Angamba izao ny vesany nitombo roa kilao.

Mba iza loatra anefa no diso rehefa tia?
Ny tratra izay nipoirany sa izay niantefany?
Manonga dia manonga ny faritra ankavia :
Tsapanao mirehitra anaty lalina any.

Fa ny olana amin'itony fitiavana eto itony
dia izy mbola miofo sy mbola mety ho leo.
Am-piandohana ialahy te hiditra ao am-pony,
Tafiditra dia loza fa miova hatramin'ny feo.

Nanjary fahavalo 'lay fo nifanadala,
Dia io fa nangatsiaka ilay emboka hatrizay.
Niova ho "itena , itena" ny anarana malala,
Nivaingan-dranomandry ny fonao saika may.

Ka iza indray no diso raha avy izay tsy mety,
Ny fo nanainga tia sa ny tiana izay nanaiky?
Loharano maro no mety hoe voatety ;
Dia sahy mifandao ve ny fo nifanakaiky?

.....S O L I M A H......
09 - 07 - 2022
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
61 1
Fans: SOLIMAH
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124