HO AVY RAHOVIANA? (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ny teny arafitr'ireo mpamendrofendro :
"Aza malahelo fa ho avy ny maraina e".
Matetika izy ireny no toa mandray an-tendro
fa tsy mitsapa akory ny aretim-po sy saina.

Raha ho avy ny maraina dia iza no hitsikiany?
Ry dadatoa Ranaivo sa ry nenitoa Rangita?
Ataony lala-masaka ireo saranga tiany,
Fa misy kosa odian'ny maraina toa tsy hita.!

Dinganiny, dia rifatra ny hazakaza-davany.
Kanefa mba miandrandra homeny tsikitsiky.
Lahatra sa vintana ny lokon'ny fitiavany?
Anjara hafahafa , zary aretina mikiky.

Impiry tamin'ny diary i maraina no efa tonga,
Toa laninao tsianjery ilay ora firotsahany.
Avy any an'anona any , dia mianika ny bonga,
Kanefa maro isika no indrisy fa navahany...!

Maraina diso lalana, sa diso fanomezana?
Sa kosa misy feo mitaona azy any ho any?
Angamba raha mba azo sintonina an-detrezana,
dia niezaka izay osa nisintona toy izany.

Ireo efa mpandray azy no itsy nitopazany,
Lalovany, vangiany sy iarahany midola.
Vao avy ny maraina dia iza izay no tazany?
R'Ikalamenavolo sy ry Ratrema mpanam-bola

Mpanavakava-koditra aza ilay marainanao;
Mpanavaka saranga, tsy miantra anay akory.
Dia aza averimberina isan'andro vaky izao ;
F'ilay marainanao kay fototry ny kolikoly.

Jereo ry Zakabe manambany mpiara-monina
Fa difotra fiadanana sy ambony toe-karena.
Marobe ny ngetroka fa tsy ary ho voatonona,
Miharihary izany amin'ny mpitondra firenena.

Ny an'ireny efa ela no tonga ny marainany,
Raisiny isan'andro, dia alefany haka bahana.
Ampoka masoandro ny an'ireny ny fisainany.
Fa tsakin'ady monja izay ora fivavahana.

Ianao mahita faisana , mitady izay harapaka,
Miandry ny maraina eo am-pelan-tanan-tsaka
Ny anao ny toko miongana,ny jiro tapatapaka,
Kanefa ireo voavangin'ny maraina no manjaka.

Mampanontany tena hoe aiza loatra ny aliny?
Mandalo an-tokantrano sa tonga fa mirintona
'Zay rahona miserana ny azy dia navalony.
Mandinika azy ireny ny maso dia voasintona.

Hoy ny feo arindran'ireo mpanodikodina :
"Ho avy ny maraina fa mahandrasa tantana".
Mandra-pahoviana no hisian'ny fanafody,
ka hampitony fo antsika ory atsimo-patana?

S O L M A H
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
23 1
Fans: SOLIMAH
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112