NY LELA (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombi-nofo mody gisa,Saingy loza raha mipoaka.
Io ilay fatra-pitanisa
rediredy anaty toaka.
Lelan'afo tsy voasakana,
Maivana io fa tsy voafonja.
Mampijoboka ny lakana
amin'ny ranobe manonja.
Eo ny nify , natao hiaro...!
Fa maditra koa ny lela.
Diniho tsara dia fantaro :
Hendry ianao fa tsy afa-bela.
Mila avadika im-pito
hoy ny Ntaolo raha hiteny,
Saingy i lela ho'aho maditra...!
Ianao tompony tsy ekeny.
Izy angaha manaiky mora
rehefa injay ny fo sorena...!
Fa taperiny eo ny rora,
Tsy voafehinao ny tena.
Sombi-nofo mody adala,
Fa tsy laitranao fehezina.
Mipoapoaka toy ny bala,
Izao rehetra izao teteziny.
S O L I M A H
(09-07-2022)
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana
Fans:
SOLIMAH
