NY MAHASOA ALOHA (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fanirianareo no tò,
sy tanteraka avy hatrany;
Dia hibitaka ny fo.
Hanjary lanitra ny tany.
Saingy indrisy hatramin'izao:
Misy hantsana mandrara.
Sady mbola zazavao
tsy afa-milalao tantara.
Manko ny fitia tsy hoe
vita ambony farafara.
Tsy mijanona amin'ny "Te..."
fa mila kajikajy tsara.
Ny anareo anefa mbola
rako-javona ny ampitso.
Fa maniry te hidola,
Ka tandremo sao dia ditsoka.
Aza maika hitampify
an-joron'ny fitia mandratra!
Tompoy tsara ny sandrify,
Ny tanjona no ataovy tratra.
Tsy hadalan'ny Ntaolo akory
no namaritra mazava:
Hoe ny mahasoa sambory.
Ny rendrarendra mety handrava.
Mianara dieny mbola kamo,
Mahaiza koa manararaotra.
Ny fikirizana no andramo,
Fa ny bado ange ka aotra e.

SOLIMAH
©050719®
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
61 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113