SATRIA (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria ianao tsy mety ho vokin'ny fitiavana sy toky izay nafafiko hatrizay!
Ankehitriny kosa indray ?
Tsy maintsy hovaiko ny famindra.
Aingam-po mafaitra indrindra
no tsy maintsy hovokariko.
Irony raho-mainty irony
no tsy maintsy hotakariko.
Satria ianao tsy mety mino
sady mora manadino ireo fitalahoana vitako;
Ny hasorenanao no hitako
isaky ny misy faingo irongatan'ireo diary.
Tsikilovinao hatramin'ny
ranomainty tsy nampoizina
etsy am-paladian'ny pejiko.
Nitady ratra ianao ka tojo!
Nikorintsana ny rojon'ny fitia nifamatorana.
Midika izany fa niboraka,
Vokatry ny toratoraka andrarafanao ny fatony.
Tsy zakany ireo tora-bato
sy ny gidram-pangozonana!
Izy rahateo koa osa sy marefon'ny fifonana
isak'izay matin-datsa.
Ketraka izy izao fa asa
raha hiverina amin'ny laoniny.
Manko vesatra aman-taoniny no
voatery nobinatany etsy am-poto-kazomaina.
Rera-po sy rera-tsaina vokatry zava-misy,
Satria hainao loatra...! Indrisy....!
SOLIMAH
02 Jolay 2019
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
SOLIMAH
