TOBAK'AINGA (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-pandrafetana ny teny mamy ho anaoamin'izao fotoana izao ;
Dia miezaka mikopaka any anabakabaka any
ny saiko sy vinany.
Litera maromaro no mila atokotoko :
Dia miara-miasa akaiky ny saiko sy ny foko,
Fa sarobidy loatra ny rafitra sy bikan'
ny teny tsara rindra hifanolorantsika.
Eto indrindra anefa vao tsapako ny lanjany!
Hatao manara-penitra manomboka eto an-kianjan'ny pejy sy takila,
Andrao ho sarinteny marary, takon'ila...!
Eto am-pikarohana voambolana avo lenta,
Dia mody miray lasitra amin'ny fomban'ny poeta : "miseho ho be filirony".
Amin'izay mba sitrakao ny loko sy ny tsirony.
Eo amin'ny andinin'ny ainga no hamaranako
ny soratry ny foko naniraka ny tanako;
hikalo izany vesany.
Hataoko tsapanao ny vokatry ny resany.
Raha tsapanao ny halalin'ny ranomasim-be,
Dia azo inoana loatra fa mino sy mandre
izao fantin'ainga izao ny fo an-tratranao.
Afaka mitrandraka izao ao anatiko ao.
Eto am-pamaranana, dia tsoriko rahavako
fa sangy ihany izao fa tsy tena hoe fitiavako
Tanjon-kamenoana ny pejy hivadika ainga,
Fa raha izay hoe fitiavana?Tsy matotra io fa lainga.
S O L I M A H
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
