TSY ANJARA (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na eto ianao, na tsia!Rehefa ny fitia
naorintsika niaraka
no ity, mitady ho raraka
dia aok'izay fa sao
hamotika ahy sy ianao.
Ka na ianao hitoetra,
Dia ataovy tsara valona
ny momba anao rehetra!
Na ianao handao,
Dia aza misy avela
hanelingelina ao
ny akanjo sy ny kapa.
Matoa ianao misitaka,
Dia mety mahatsapa
ny tsatson'ny fitiavako.
Masìna ianao rahavako!
Mandraisa posiposy,
Dia aza manakaiky
sy miezaka mitosy,
Na hiankina eto an-tratrako.
Ampy izay ny ratrako,
Dia mandehana koa
fa tapitra eto mantsy
ny diarintsika roa.
Na eto ianao, na tsia!
Efa novonoiko
ny fakan'ny fitia
niarahana hatrizay.
Raha mbola mankafy,
Dia tratra hafa indray
no ataovy tsara tondraka.
..... S O L I M A H .....12-2020
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
SOLIMAH
