TSY HAY REFESINA (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mila porofom-pitiavana
avy any amin'ny testamentan'
ny fonao akory ny foko.
Ny tadin-dokanga no aleo mba
hitovy sy atao mira lenta,
dia aleo mba hitovy ny loko.

Tsy azo tsaraina amin'ny fatra
sy lanjany koa ny fitia...!
Fa ny akony no azo refesina.
Voanfonja ao anatin'ny tratra io
fa tsy azoko aroso an-dovia.
Ny hirany no azo renesina.

Kanefa ny feo tsy amantarana;
fa mbetika kalon'adala.
Fita-pitia indray miserana.
Raha mbola ny solon'anaran'
ny "Tiana" na koa hoe "Malala",
Toa aloka tsy azo ianteherana.

.....S O L I M A H ....
(21-09-2020)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
8 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012