VONON-KANAJA AN'I FANJA (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako be tato ho ato ny toetra vokarin'i Fanja.
Vonon-kanangona vato
hamelezana izay etsy an-kianja.
Tsy fantatro na mitoe-jaza,
na hetsika tsy amin'izay lalany....!
Fa omeny ny anjara sahaza
izay tojo ny toetran'adalany.
Tsaroako ny fomban'i Fanja,
fony izy tsy vita sonia :
Niainjaika, nanao manjamanja,
Niseho azy ho babo sy tia.
Voarangotr'i Fanja ny pejy,
Dia io izy fa nigaringana*.
Tsy ahoany izay zaza mijejy,
Kendainy izay mila hamingana.
Rafanja koa tsy azo ivalozana,
Bontolo amin'ny hevitra ananany.
Matanjaka sady ikoizana :
Mampiasa ny hery eo an-tanany.
Ahiako izy hivadika biby,
Dia aleo mody hindrahindraina.
Neniko raha ny safidy,
Fa aleo mody hirahiraina.
Ry Fanja malalan'ny foko oh!
Tiako ianao na dia marenina.
Mamiko ny antokotoko amin'
ny toetra tsy takona afenina.
Vonon-kanaja anao loatra
ity bodo sy donto ara-tsaina.
Haiko f'izaho raha hitroatra
dia sahinao viraviraina.
..... S O L I M A H .....
03/07/25
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
Fans:
SOLIMAH
