Malala tsy foiko (Sombiniaina Rakotoarivony)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina anao aho ry 'lay sombiniaiko
ny tsy anilanao no mamparary ny aiko
raovina ihany no hiaona tsika
hifampitantana eny, arahina endrika sariaka

hananao daholo 'reo ilaiko manontolo
fietsika sy bika arahina endrika amam-bolo
ny fitiavako anao no hanoratako ity tononkalo
fa tiko loatra ianao ka tsy foiko hatakalo

hanananao ihany koa nefa ny fahendrena
ka ny fitiavantsika tsika roa tsy atao ankaterena
manjary manimba ny saina sy ny fo
nefa tsy azo atao ny manao andolom-po

ianao ilay tokako, 'lay malalako tsy foiko
ianao sangin'ny sasany no mamparary ny foko
ianao irery iany no tsy aiko hadinona
vao tsy mahita anao, dia ny foko no voadona
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
3143 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Sombiniaina Rakotoarivony
Inséré par : Las
Date : 11/05/2015 07:26
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151