Malala tsy foiko (Sombiniaina Rakotoarivony)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina anao aho ry 'lay sombiniaiko Ny tsy anilanao no mamparary ny aiko
Rahoviana ihany no hiaona anefa isika
Hifampitantana eny, arahina endrika sariaka
Hananao daholo 'reo ilaiko manontolo
Fietsika sy bika arahina endrika amam-bolo
Ny fitiavako anao no hanoratako ity tononkalo
Fa tiako loatra ianao ka tsy foiko hatakalo
Hanananao ihany koa anefa, ny fahendrena
Ka ny fitiavan-tsika roa tsy atao an-katerena
Manjary manimba ny saina sy ny fo
Nefa tsy azo atao ny manao andolom-po
Ianao ilay tokako, ilay malalako tsy foiko
Ianao sangin'ny sasany no mamparary ny foko
Ianao irery ihany no tsy haiko adinoana
Vao tsy mahita anao, dia ny foko no voadona
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
