VAVAKA HO AZY (Tefigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô ! apetrako aminao ny fiainany eto an-tany,
Iriko mba ho Ianao no hitantana azy hatrany,
Fanilo mpanazava, andry fiankinany,
Hanome fiainana, hitarika ny diany!

Ho fifaliana hatrany no iarahany aminao,
Ho feno fitiavana ilay fiainany vaovao
Ravahan-tsikitsiky sy endrika sariaka,
Hipok’hasambarana, ho lavitry ny hatsiaka!

Koa ankiniko aminao ny ho aviny rehetra,
Aoka ianao hamboba, hitafa sy hitoetra
ao anatiny ao, ka tsy hiala intsony
ny finoany Anao, mipetraka ao am-pony!

Tefy gasy - 2011
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka - Aingam-panahy
1484 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tefigasy
Inséré par : Tefigasy
Date : 03/05/2011 11:03
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114