Namako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ianao tena tiako
Tsy ho hadinoko mandrakizay
Fa anton'ireo hafaliako
Niainako hatramin'izay

Namako ianao tiako foana
Tsy ho voafafa ato ampoko
Na ho aza isika tsy hiaona
Namako ianao tsy ho hadinoiko

Namako ianao tiako indrindra
Anatin'ny fo sy fisainako
Namako niara-namindra
Nandravaka ny andrompiainako

Namako ianao tiako loatra
Tsy ho feran'izany fotoana
Hatreto ka hatrany ankoatra
Isika ho mpinamana foana

Namako ianao hatrizay
Namako ianao hatrizao
Namako mandrakizay
Namako foana ianao

Namako ianao tsy nindramiko
Namako tsy mba nanary
Namana iray tena mamiko
Namana tsy mba fanary

Namana silam-panahy
Namana tsy mba nandao
Ny mamy rehetra izay ahy
Soratako avelako ho anao.

03-04-2022
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - fiainana
609 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 04/04/2022 18:38
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103