FIOVAN-TOETRA (TOAVINA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ditrako fahiny
zary fahavaloko ankehitriny
satria efa nahatsiaro tena aho
ka hivavaka fa efa tofoka sy lao
Efa tofoka sy lao
tamin'ireo ditra efa fanao
vonona aho hijoro ho vavolombelon'i Kristy
raha mbola miaina ety
ko atolotro eo am-pelatananao ry ray
ny fiainako rahatrizay
apetrako aminao ihany koa
ny faniriko
izay tsy an-tery fa tena an-tsitrapo
--------
Rohy:
1659 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TOAVINA
Nampiditra : sofina02
Daty : 22/03/2006 09:42
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109