FIANGAVIANA (Tsilefy (Good's))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka re mba tsy ho toetra, na ho noho ny fahoriakona ny momba ahy rehetra, no nampanaiky anao ho tiako
tsy ho izaho ilay be tomany, na izaho ilay be fisentoina
enga anie mba tsy ho izany, ndrao fitia mora vonoina
Aza izay endriko tsara sy ny bikako mirindra
no hilazanao ahy ho anjara sy ilay tianao indrindra
enga anie ka tsy ny hareko sy ny volako akory
fa raha izany tsy ekeko satria fitia mampahory
Fa ny hitiavanao ahy, aoka kosa ho tena fitita
satria nofo miampy fanahy ity notiavinao ity
mety harary sy farofy, mety hifaly sy salama
mety ho tia manofinofy, na ho resin'adalana
ka tiavo aho ra ory, eny tiavo aho manana
ilay fitiavanao no tsory raha azoko hiadanana....
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana