ANJARAKO (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‎Izato aho,.......
‎Marary na dia miaina
‎Fahasitranana no mba ilaina
‎Izaho moa mandia tany maina
‎Ka maneky ihany na dia malaina

‎Izato aho,.......
‎Mampalahelo kely
‎Toa olona narian-dRay aman-dReny
‎Mihonona amina toerana irery
‎Te hanana namana nefa tsy misy mijery

‎Izato aho,.......
‎Mangina ety lavitra
‎Miaina toa tsy mahavita
‎Mitady izay mpanavotra
‎Izay olona tena mahita

‎Ny anton'ireo efa fantatrao
‎Satria io no lalako
‎Tsy maintsy handrasako
‎Satria io no anjarako
‎Hiononana na dia tsy zakako

‎______________×________________

--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fiainana
34 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114