MANDROMBONA( Eclipse, 07 septembre 2025) (Kazary2006)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany alinaAnio izao marina
Ny andro manan-danja
Amin'ny tantaran'ny fiainako
Nahafoana ny banga
Teo amin'ny niainaiko
Tsy vazivazy fa zava-dehibe
Ny fitiavana nambarako anao
Tena feno faoriam-be
Nangataka ilay fitiavanao
Izao aho no niteny
Tsy maninona fa aoka ireny
Tsy zakako ihany dia namborako
Aoka re ny fanahinao mba ho fialofako
Nangataka foana aho
Isana'ndro isan'andro
Faniriako mba ho ekenao
Maraina, ariva atoandro
Aoka re mba valio
Ny fanahiko mba vangio
Fa maniry ny mba ho tiavinao
Na dia fitiavana kely monja avao
Diary,
Aoka re
Ny fitiavako efa marary
Ka mila anao ange
Diary,
Diary no solon'anarana hiantsoako anao
Satria diary ny fitiavako
Ny hendrika aman-tavanao
Tiako raha mba olon-tianao aho
Amin'izay ahafantarako
Fa ny fitiavanao ilay anjarako
Manetre tena
Aho re mba tiavo
Fa ny fahasambaranao no tena
Hiadanako mahahavo
Tsy misy inona fa izao
Ianao ilay fanilon'ny fitiavako izao
Ka fahasambarana ho ahy irery
Ny fanekenao ny fitiavako tsy an-tery
Aoka ianao ho fitehirizana ho ahy
Mba ho tahaka ny timbre
Mba ho fahatsiarovanan'ilay fanahy
Tamin'ny alin'ny Eclipse,7 septembre
FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______
--------
Rohy:
