angalisa rovi-kazo (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maty ilay zatovo niavon-tsahala
Nalaza nasiak'amboa (an)-kadivory
Nanao azy ho zavatra ka diso anjara
Maty tsy nisy mpangoraka akory
Fa lasa tsy namela dimby amam-para
Tsy vady nitany, tsy zanaka niory
Basin'ari(ary)fito ka manalasala
Tsy tian'ny ambony,tsy takatry ny ory
Basy angalisa rovi-kazo ka he
Tsy natao anirotra,tsy am-pasan-drazana
Tsy an'ny velona tsy an'Ambondrombe
Fa tan-dongo-mitokana am-paratazana
Maty Ilay zatovo niavon-tsahala
Saingy tsy mba noraisin'ny lanitra akory
Tsy meloka sady tsy mpanao ny tsara
Nandà tsy handray azy koa ny dévoly


Tsiolaka
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
110 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 10/06/2024 11:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145