Aoka etsihy (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maditra loatra akia ny foko
ka tsy azoko noferana
tsy hitia an-tsokosoko
Ilay voninkazo fanaperana
dia ilay raozy manantompo

ekeko hoe mambabo
ny hatsarana isalorany
ary tsapako mandavo
Ilay angola sy fidolany

saingy aoka etsihy ry foko
fa Sao ianao hangaina
ho vesaran'ny toloko
hanangana taraina

fa ny amalona raha fia
tsy hisoronana ny lela
ô ry foko aoka etsihy
maharay ny roa ny ela
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
63 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 27/09/2024 17:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139