Aoka ihany (tsiolaka)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro hanandrify ny menafifin'iny fara-tazana iny ,ny tatao-masonao
Dia lazao ahy,lazao ahy fa...
misy sarintsarin'ireo niarahana fahiny
misoritsoritra mandrangitra
Dia ambadiky ny tazana ,misy emboky ny tsiaro niarahana nitanika
sarotra kosehina ilay rangopohy famantarana mitoetra an-taranoana
fa mbola Io tsaroana foana
Dia aza tantaraina,ezaho ho kobonina
akory aza tononina
f'andrao mamoha fady
ka hipongatra hivahiny Ilay dindon-jazavavy notiaviko am-panahy sy naharendrika fahiny
sy Ilay ranomasom-birijiny
nirotsaka tan-tavan'ilay nitia tsy nisy tsiny
hitrotro fandrafiana tsy azonao setraina
anatosaka taraina maniry hanafak'aina
tena aoka lahy ...
aza akory ianao mahasahy

Indray andro hanandrify ny menafifin'iny fara-tazana iny ,ny tatao-masonao
Dia aza lazainao ahy,aza lazainao ahy fa...
tsy tiako ho renesina

Tsiolaka
040324
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
131 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 09/06/2024 08:42
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014