epistily mainty (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba tongava saina f’efa ny Andriamanitrao
no nezahany nalaina , nosoloiny vaovao
nolazainy fa vazaha fotsy hatsatra toa azy .Dia …. !
avy ialahy iankohoka ,amin’ny tompo sarim-bavy
ilay lavavolo be sady lava volom-bava
fisapisa-molotra maranidrani-tava
mpiondana sodoma* io no nalainy sary
namitahany an’ialahy, hoe zoky be fitia ary koa mpahary
f’ialahy ve efa adala no minia ho maty ho maimbo ?
toa minia tsy mahalala sa voasaringotra faraingo ?
zanak’Andriamanitra hono nefa teraka alakaosy… ?
fafy lainga tsotr’izao vaky trano,harom-paosy !
ilay namono ray* dia nanambady indray ny neniny*
no nampiakanjoany fotsy nefa bandy tia an-dreniny*
nanoloany an’ilay zaza saika tsy hita tamin’ny dimy*
nolokoiny fotsifotsy dia hoe zanaky ny virijiny
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
139 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 10/06/2024 11:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148