foha (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Foa …foa ... fohaza a … !

‘zao ny hafatra izay nomeny
Naveriny ombieny ombieny

Ny hisarabazana ? tsy ekeny
Fa masina ny fireneny
Aoka tsy hatokotoko
Amin-doko,foko, antoko

Masina ny tanindrazana
Ka aoka mihitsy tsy ho tazana
Na hita soritra eo amintsika
Ny ankahala, …. Hifanditra
Amin-dresaka-politika……
Tsarovy ! Malagasy isika.

Masina ny tanindrazana
Lozan’izay manavangavana.
Ra(ha) iray ny tany hamafazana
Nefa mikasa handatsa-dra
Hampiady ny mpirahalahy
Foa … !foa… ! aoka lahy
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
114 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 10/06/2024 11:35
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018