Hombo (tsiolaka)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
peta-tondro tavela ho raki-tadidy
imbika tsiaro nanaitra ny maso
nisetra ny topa tsy ananan-tsafidy
dindon'ny ela tsy niaky ny andraso

tadidy tsy hita fipongatra akory
miafitra anaty tsy hay norarana
vonto ahiahin'ny fo ngolingoly
manilo ny lala-niraparapana

Odian-tsy hita f'injao manakora
tsy mamela mahazo fa misoko mora,
Moa va tsy jirika eny an-katakonana !

Tsy hay hiodivirana ,tsy hay hidifiana
mahery fisetra fa tsy zaka hiafiana.
fahavalo masika miandry an-tokonana!


Tsiolaka
070424
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
80 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 07/06/2024 23:36
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152