Iray kapsily (tsiolaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny tany hoa no fady fa ny vavan'ny vahoakaka tapakevitra aho androany fa tsy maintsy hiala toaka
Ekeko tena mahafinaritra ilay fiarahana hatrizay
fa aleo mihitsy ity hajanona fa efa tena ampy izay
Aiza ve vao tsy misotro dia mivadika mangovitra
tsy mahajoro tsara intsony ,ny hozatra avy no mihalozitra
Vao tratran'ilay danik'andro dia miakatra ny taoka
Ny tarehy mihapandaina moa ny emôrôida koa mivoaka
Fa ny loza sy atambo .. ,ilay sefonay masiaka
Vao aninkeo tany ampiasana no nataoko roaka alika
Nolazaiko hoe bandy vendrana ,miseho milay bé teniteny
Norahonako ho roahina ,nampiako kely opa reny
Tonga tao antrano avy eo mbola raikitra ny ady
Fa noverenako kôtiana ilay vady vita mariazy
Ilay rafozako mpiandry izao no atahorako hitory
Niezaka nanambitamby dia...., noroahako dévoly
Mamon'ny iray kapisily f'ilay toaka koa mahery
Tena samy ho faty ihany f' omeo vazomboana kely
Tena mandroroa ny masoko, sady fanina aho izao
Hay moa aho alana poizina ato amin'ny Hopitaly ety Ambohibao
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
tsiolaka
