Lozoka (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandao ny vahindanitra misarindraozy vetivety
ka niezaka nizaha ,nitsidika ny tany
Nisodika,nisidina,niezaka nitety
hatrany ampara-lalina tsy takatra am-binany.

'ndrao ahita fangorahana sy tsatom-pitiavana
na dia antsiririn-jingan'ny rano ody aina
saingy loharano ritra namela tany ngazana
lohasahan-tsento hipokipoka taraina.

Fa efa lany vatsy sy feno fifandirana
akanin-donilony, valifaty tsy anerany
Ilay anjely mpiambina nanaikitra sy nihinana
ny reny velom-bao no mitono Ilay naterany

naleoko sarimonina fa andrao ho valovotaka
ho tamamiray amin'ny tafika masiaka
tsy manam-pitiavana fa efa zatra rotaka
tsy mahita fitsaharana anaty lalan-ditra
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
52 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 02/09/2024 12:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136