Maimbo angady (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambany niakatra Iarivo ity tenako tambanivohitra
Ka sadaidaikatra ihany hiampita arabe migodana
Tsy ilay lalan-kely mamovoka,fianjoriavan'ny zana-tsorohitra
Fa rarivato voapaika sy voarakotra dity sy tara

Ireo fiara mameno arabe, mirifatra toy ny fantara
Toa maninana tongomalady ,maika hisongona soavaly vy
Manaitra sy mahakaodokaody ireo karazana feon'anjomara
Manentona setroka ratsy ,Hay izany no iainana aty

Izay rehetra topazan'ny maso , mirenty ka mahasondriana
Tsy tahaka ny any an-tanàna tovontany na koa rotsopeta
Fa dia trano be valozoro tsara rindra toa kindrindrina
Mifefy tamboho mankadiry fa tsy hadivory na fefy taretra

Ny mponina aty raha mizotra toa dodona rifatra mafy
Teren'ilay fandrosoana angaha ka tsy afa-midola mazàna?
Angamba koa mety ho izay no nahatonga azy niova fitafy
Tsy misampina lamba zandiana ,fa dia mitena soga an-tanàna

Zaza vao iray ranon'orana sendra hita no nampivanàka
Miteny tsy miambakavaka fiteny tsy faneho masoandro
voatavo tsy mbola mifandraka mipololotra efa avy nigaka
Hafahafa ilay fiananan'Iarivo ,tsy mahazatra anay mavo ranjo

Sambany niakatra Iarivo ,saingy tsy ela aho dia injao vaky lositra,
Aleoko miverina nody fa mbola mamiko ny any an-tanana
Tsy efako ilay miala vola rehefa noana na sendra ka poritra
Sady farany sao ho maimbo angady ka ho lazain'ny olona adala.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 03/04/2026 21:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113