MANODIAVA AHOANA ? (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no mailaka hanome tsiny ?
Fa angaha iny an-ditra na an-teritery
Natao teny ierana ny namaky ny siny
Ka nahoana no adidiko ny rano very?

Nony injay tsara fandraka ve ny voatavo
dia antambaby ny tsiny ho zakain'ny fively?
Nefa safidy niarahana ny hitsilavolavo
Hidi-kizo malama, mikirindro sy tery.

Fa matoa iny efa , safidy niombonana
Toa ilay ankandasitra tam-pamoloana
Niaraha-nikasa ny handingan-tokonana
Fa lainga raha vary ka fotsy tsy an-daona

Ka nahoana no mby amin'ny ankehitriny
No hiantso tody sy hiapanga lava?
Hoe nisantatra am-batako tsy manantsiny
Ka Izao ranomasoko izao manodiava
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
9 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 02/05/2026 22:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0247