Mba todiho (tsiolaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa niezaka ihany aho ny nangalatra fijeryNiandry topimasonao anandrify koa ny ahy
Saingy toa tsy tsapanao ity fo rako-pery
Maniry mafy ho tiavina , tototry ny adim-panahy
Toa tsy tsapanao akory Ilay fipitrako miandry
Na aza sombintsombin'ny fitia avy aminao
te hiampify,te hisambatra ,sy ho voky tambitamby
Saingy indrisy ry Malala fa toa tsy mba tsapanao
Dia eto aho manontany hoe inona Ary no ataoko ?
Moa hiandry Ilay rariny,! tsy handrombaka amin-kery
Manery mafy loatra mantsy Ilay fitiavako tsaroako
Manantena mafy anao hanasitrana ny fery
ô ry olo(na) mamiko iny ,ry Ilay tian'ny fanahy
Rahoviana ianao no hitsinjo Ilay foko sasamiandry
Moa mbola aharitra ela vao hitodika ahatsiahy
Mba todiho fa aza ilaozana ilay tia tsy tafandry
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana