NAMANGY TETO (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namangy teto indray omaly
Tamin'ny mamantonalina,
Ilay ketoka sy jaly
Nitondra embo-mahafanina.

Nanaovany an-terisetra
Sy nosinava tsy an-kiera,
Ka nidirany amboletra
Lay efa mba nipirina ela!

'Reo 'zay noheveriko fa sitrana,
Dia ratra efa nanakom-pery
Reko,injao tinata-bitrana,
Nihirifiry aman-tery!!!

Namangy teto indray omaly,
Fa lasa rhefa diva haraina.
Ilay tamberi-maharary
Mampijaly fò sy saina.


Tsiolaka 09-06-20
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
98 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 08/06/2024 07:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144