Neny (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avia etsy matoria izany zanako izany
Etsy ho ampofoin'i dada,mangina!aza mitomany
Aok'izay! aza midongy fa inty ny vatomamy,
Io neny io anie ka reraka e! fa tsy mitaraina izany!

Mbola maizimaizina izy no efa henoko nifoha
Mbola tsy nazava ratsy,angamba vao naneno akoho,
Nitanika ravim-boafotsy,sy niketrika sosoa
Io neny io anie ka reraka e!tena valaka tokoa!

Andao ho atsy avara-patana,ialahy itantarako angano,
Sa ialahy hijery volana?andao hivoaka any ala-trano
Ao fa ho fafan-i dada ny masonao manganohano
Io neny io anie ka reraka e !saingy tsy mba mety kamo !

Fa sahaniny avokoa ny momba antsika rehetrarehetra,
Ny taon-jezika,ny tondraka,hatramin-ny miavo-ketsa;
Marolafy ny adidiny,ary toa tsy misy fetra
Io neny io anie ka reraka e ! saingy tsy mba manjoretra !

Andray ry zanako malala...!vao maika ialahy nitomany ?
Mangina hoy aho!! aok'izay!! sao i neny handre izany
Dia tsy hitombona ny sainy, andrao ny zanany marary!
Io neny io anie ka reraka e !na dia tsy maneho izany !

Ny azy mantsy raha ny tiany,dia isika lavorary
Eny isika ho finaritra fa izy hisolo anjara jaly!
Satria ny hany fisambarany dia isika tsy maharary,
Io neny io anie ka reraka e ! na dia hitanao toa faly !

Io hariva io izao,izahay samy avy any an-tsaha
Izaho tonga dia niala sasatra,nilalao an'ialahy;
Fa izy kosa anie jereo e,tsy mba tapi-draharaha
Io neny io anie ka reraka e ! fa mijoro hitomban-dahy!

Dray lehiretsy ny adalako,moa va ts to ny miteny irery
Hay diri-tory teo ilay zanako,rendrika ilay zazakely!
Izany ve moa hisy ho fantany e? atsipy ihany aloha ny teny
Andrao mba misy fantany ihany;fa sarobidy loatra i neny.


tsiolaka 23-11-2020 in vitrana
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
115 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 08/06/2024 07:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2502