Nofiko (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiko indray andro izay, nofy atoandro moa sa sasak’alina?
Hoe iny hono izao fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena
dia niely izay tsy izy ny feo hoe " Raha io no lany eo … hilamina an!"
Ho maro ny mpitsiriritra ilay fotsy sy maitso ary mena.

Dia nanakoako tokoa, izany fampielezankevitra
hoe " Tsiolaka ihany ny antsika fa io no azo antoka hahavita!",
izay toerana rehetra nombana hafalina fa tsisy adihevitra,
‘ndray niredona hira faneva … ! hoe « fihavana tsisy tomika ».

Tao moa ireo niantsoantso : "Izahay tsy miala amin’i Tsiolaka"
Nisy ny nisisika mafy mba ho raisina tanana roa.
Ny lavitra tsy afa-nikisina nianona nanao ba atoraka,
sady nandrara-tsodrano, ho ela velona ianao andriamatoa!

Dradrain’ny haino aman-jery fa ny rehetra dia nandrotsa-bato,
mba hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra ity nosintsika.
Fa voafidy amin’ny isa mavesatra, nahazo zato isan-jato.
Tolagaga ny tany ama-monina fa tsy nisy « tour » dia vita.

Tonga ary izao ny fotoana hisaorako anareo vahoaka.
Ny teny rehetra ho ataoko ? notsongaina ary efa nofidiko.
Kanjo tapaka indrisy ilay nofy, tiako hitohy saingy tsy afa-nanoatra.
Fa voatery tsy maintsy niarina… !
SAIKA HOTSAKA LAHY NY FANDRIAKO

Tsiolaka in Adilahy Poetika
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
129 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 09/06/2024 13:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136