Raosy Jamba (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raosy jamba efa tena jamba oh
Fa angaha mahita ianao ?
Ndeha savasavao zao ny fotony
Sao mpihindrana, ary tsy tompony

Fantaro ny tany haniriany
Dia jereo koa ny fototra hiaviany
Tazanao ve ny loko hitafiany
Sy ny rijan’ny kalo hiangaliany

Raosy jamba efa tena jamba oh
Angaha mahavita ianao ?
Savao indray koa heo ny raviny
Dia fantaro ny kianja nodiaviny

Hitanao ve ny haba amin’ny tanany
Sy ny rado am-bozonan’ny zanany ?
Raha mitrebona koa ny taranany
Ho tapakao ve ny tehina an-tanany ?

Raosy jamba mbola tena jamba oh
Raha mahita ianao
Dia amarino ny lalan-kizorana
Sao ny hakevohana no hifatorana
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
147 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 10/06/2024 13:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146