Rongatra (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
trahotrahon'orana manamban-taika an-tafotrano
an-takariva sinan'alakaosy rava volana
nieloelo tamba-drahona mikisarina fanano
namohafoha ny vinany ndeha handingana tokonana

... moa va tsy toy ny Zaza manin-dotso (n'ny) nonon-dreny

Andrefan-danitro indray antokon-kitan-jepizepy
mampiara-peo mahalana amin'ny doboky ny fò
vavahadim-bahin-danitra,telo(noho)refy tsara tefy
ambenan-diona masiaka amin-daniny ankiroa

... moa va tsy topimason'ilay manina te ho eny

Ravak'hiran'ny fantara mitsivaka helatra miriotra
manintera-jana-javatra miakotso diadema
vaikan'hararetran'onja natambolin'ny tafiotra
leliky ny fahatsiarovana miporipory fahendrena
... fò rivotra,afo,rano,tany lenan-dio mitaramena
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
81 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 09/06/2024 08:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015