Tany (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny tanimanga
Izay hitan'Imanga
Tany Mangatany
Fony Imanga tany
.....No nandoto rano nitan'lmanga !

Sady hitan'Imena
Hoe ny tanimena
Ilay nomena tany
Izay nitan'Imena
.....No nandoto ny rano satria tany Imena!

Soa fa tany i Ravo
Mba naharavo tany
Nandravona tany,
Saingy ny taniravo
.....nandoto rano tsy hitan'i Ravo!

Moa ny hantan' Ifotsy
Noho ilay fo tsy tany
Tany Antanifotsy
Ka soritany fotsy
...... nahaloto rano feno tany fotsiny

Sady vitan'i Landy
Ny hiladina an-tany
Raha tany malandy
No Landiana tany
...... Ahaloto ny ranon'Antanimalandy

Saingy ditrany tany
Ka nampitan'i Ditra
Fony niditra tany
Ary nitàny i Ditra
..... Fa voaloto ny ranon'Antaniditra.

Tsiolaka (kilalaon-teny)
180926
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
17 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126