Tefy (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanivon-dohasahan'afo ravahin-kintana mihira
Misy zazavavy rano mihamientona ho zavona
Misonenika mandihy anaty soritra efamira
Mielo habaky ny nofy,tinafy lokon'avonavona

Misoratra eo an-jorondambany misy kajy tena lalina
Misy isa verin-droa ialohavan-telo fito sosona
Tonga refy,Tonga fatra,tsara lanja sady marina
Misy paika roambinifolo,misy isa mifanosona

valopolo efatra amby amin-tsira mineraly
Mipariaka an'alinkisa tan-galonan-drano valo
Tambatsela sy akora novolaina tamin'ny tany
Milaro rivotra sy afo sy kasinga maromaro

Ka sinokitra ho tena tinafy endrika amam-bika
Hatsarana noforonina tantsefatsefaky ny eritra
Nampamololon-drano aina teo anivom-paradisa
Tefitefin'ireo nofy tany am-parahatoka any.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
51 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 02/09/2024 12:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138