teny tonga rofy (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao ny teny tonga rotsy....!
Rotsirotsin'ireo nofy mifandrimbona amin-drofy
Izay nitrebona tsy satry teo am-pototry ny Avana
Hery tsy hita navanavana.....

Ny hakanto sy ny vaikan'
Ireo hovitra entin'ny fiantraikany;
Fa nandrovitra ny voaly maizin'ilay tsy fisiana
Tamin-kery manan-jina

Io no gadona iangalian'Ikotokelimiadilaona
Ilay ritsoka maraina izay mikalo an-taranoana
Teo mihitsy no nanomboka nipaika nifanesy
Nisongona tan-katakonana ny lasitry ny maridrefy

Ny isa nisakambin-droa zary telo hijoroana
Ilay fatotra navona mialoha ny fiofoana
Mantsy teo nipololotra,ary teo no namololona
Ilay hiaka idealy mipongatra hanitry ny Forona

Mba haninteraka hafanana hidiadema hazavana
Eo an-dalam-pianjoriavan'ilay fanahy mifampitana

Injao ny teny tonga Rofy


Tsiolaka in V'hainga
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
96 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 08/06/2024 07:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138