Teo (tsiolaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-pandinihana Ilay sarinao indrindra no nitamberina tan-tsaiko Ilay fotoana afak'omaly
Ilay fijery ,ilay fitsiky,eny hatramin'ny famindra
niraikitra an-tadidy ireny hasambaran(a) tena mamy .
Ilay ianao menamenatra ,toa tsy ahitana teny izany
raha notohofako mangina Ilay molotrao tsy manantsiny
ny taramenan'endrikao , niondrika nijery tany
toa mirana , sahiran'iny voalohan'oroka iny.
Ianao niantsampy teo an-tratrako,tiako aharitra ho doria
ka notsenaiko safosafo ny takolakao niriko
minitra monja saingy mamy ,vaky vony Ilay fitia
lasa sasin-tononkira kanto,miavaka ary tiako.
Naharendridrendrika ahy Ilay hanitrao tsaroako
nampirindra tempom-pò , nampitobaka fitia
Ilay hafanana taminao nampandevy ny aty foko
ry Ilay silako am-panahy ,resinao 'ty fo malia.
Tsiolaka
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana