Vaka (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vaka indray ny saiko
fa hisokatra rahampitso Ilay fasandrazanay,
Nandevenana ny raiko
dimy volana izay!

Dimy volana tokoa
Ilay izy niefonefona ,tan-tratrako no niankina,
efa tsy naharin-doha
Niady faramparany amin'aina mihatankina.

Dimy volana sahady
Ilay namafako ranomaso tamin'ny tavany havia.
Sy mibitsibitsika azy
"Aza tomany lehitsy,fa efa an-dalana ny hody e! 'ndeha dia soavadia"

Tamim-peo vahobahotra
Sady niezaka nanirina ireo masony ankiroa,
avy eo ny tanako niahotra
No tsy maintsy koa namehy Ilay hahama tamin'ny loha!

Dia tena vaka be ny saina!
Rahampitso ve ho avy hanatrika ny fampiakarana?
Ilay vatana efa afak'aina
Mivalapatra ,mitsotra, mifono eo antsoalana.
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
242 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 03/09/2025 22:25
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118