Vinany (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandinika Ilay sarinao maranidranitra endrika
Angola fanaperana voasalo-boninahitra
Ravaka diamondra toy ny kinta-maharendrika
Injao miantsiantsy fo hitombina am-panahy

Eh.. .! fa kanto Sady lafatra Ilay tsangananao marirana
Angamba ianao mihitsy ilay atao hoe zana-javatra
Ny ao anatiko ao dia tsoriko f'injao sahirana
Gorobak'ilay tsikinao,toa volana tomaratra

Eny e...,angamba hoy ianao hoe rediredy ihany
Lainga tsara lahatry , manao ronononan-tavy
Ity no tsarovy :raha toa tsy mino izany
Alaivo ny fitaratra,fa izy no hilaza azy
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
142 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 27/09/2024 17:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142