HO FAHATSIAROVANA AN'I EDY (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miritsidritsoka any hoany
'lay valiha torifolo,
Manembona aho lasa vinany,
Mitamberina daholo ireo taloha
...Indrisy lasa izany...

Ilay johary fahazavana,
Ilay railovy izay mpivazo,
Ilay voara haingon'ny tanàna
Nijoro teto nefa lavo ho'aho ry lahy
...Kanefa tsy ho adino...

Tsaroana fa tsy misy tsiny,
Ireo hira niharahanay taloha,
Tadidy ao an-doha,ireo kalokalo nampiray ny fo.
... Lasana nandao tokoa ilay havako iny...

Lovasoa no napetrany,
Ho kaloina ts'isy fetrany,
Hatraiza hatraiza no fiantefany
Dia ilay hira izay talentany !
Ho ahy izay handimby azy !...
--------
Rohy:
1075 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093