IZAO AHO (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAO AHO

Izao aho no mitomany,
Izao aho no misento,
Izao aho no miantso vonjy ho havotrin'ny fiainako eto,
Izao aho no mitomany hitan-danitra ao ambony,
Fa any andro, any taona,
Izaho tsy hitomany intsony.

Izao aho no hita resy,
Izao aho no hita lavo,
Izao aho no andosirana, satria mbola mavomavo,
Izao aho no voatsindry tsy hafa mihoitra kely akory,
Dia mbola hisy koa fotoana tsy hisian'ny mpampaory.

Fa angaha dia izao ihany no andro ?
Tsia ! Fa mbola misy dimbiny ao,
Amin'izay ny fanahy honina ao antiko ao,
Fa ho avy tsy ho ela akory ny androko mamorapiratra,
Ka ny foko ho ravoravo,
Ny masoko anjary hihiratra.
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1131 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095